Tsiky dia ampy

samedi 23 janvier 2016

Tetik'asa Arduino I



Koa satria ito no tetik'asa voalohany amin'ny Arduino ataoko dia tsara ihany angamba hazavaina fohifohy ny momba ny Arduino ho an'izay tsy mahalala. Raha handalina bebe kokoa dia afaka mandeha ao amin'ny site officiel-n'ny arduino ao amin'ny http://www.arduino.cc. NyArduino dia azo lazaina hoe fitaovana iray (noforonina ekipa italiana) izay tsotra sy misokatra hahafahana manao tetikasa elektronika. Alaivo sary antsaina fotsiny ohatra hoe ny fanokafana vavahady, ny fampandehanana jiro maintso, ny jiro krismasy mifandimbindimby sns. dia azo atao amin'ny arduino avokoa. Ny olona rehetra manana finiavana hikirakira elektronika sy programmation tsotra dia afaka mitrandraka arduino. Betsaka ny fampianarana ao amin'ny youtube izay mikasika azy ka tsy dia manahirana loatra.
Izay no ela fa tamin'ny novambra aho no tena nanomboka nihaona tamin'ny Arduino ka nanana tetikasa voalohany hoe hampandeha ilay fiarakelin'i Aina aminy.




Fiara efa téléguidé saingy very ny télécommande dia tsy nandeha intsony. Dia nesorina tanteraka ny circuit-ny ka hosoloina Arduino.
Arduino Nano V3 no nojerena tao amin'ny Ebay ka teo amin'ny 6 Euros teo ny vidiny. Ny Arduino nano dia tableau arduino kely. Misy ny zavatra rehetra ao amin'ny Arduino izy saingy kely fotsiny ka mety tsara amin'ity tetikasa ity satria tafiditra ao anatin'ilay fiara.



Kely dia kely tokoa ny Arduino Nano V3 kanefa mora dia mora tokoa ny vidiny, indrindra raha vidiana ao amin'ny Aliexpress na ao amin'ny Banggood satria mahatratra 2 Euros mihitsy izy any. Ity novidiko ity dia tsy soudé, izany hoe misaraka aminy ny broche ka raha ilainao dia ianao ihany no mi-souder azy. Ny ahy moa no-souder-ko satria hapetraka amin'ny platine d'expérimentation (na breadboard) ary betsaka ny bokotra (pins) ilaiko.
Ankoatra an'io Arduino io dia nila zavatra roa hafa ihany koa. Ny voalohany dia module Bluetooth HC-06 hibaikoana an'ilay fiara avy amin'ny alalan'ny smartphone. Nisy ny niteny hoe tsy mahazaka 5v iomodule io na dia betsaka aza ireo ao amin'ny youtube tonga dia mametaka azy amin'ny 5v, koa dia voatery nampandalovina mpampihena courant ilay izy (jereo ilay resistances roa R1 sy R2 eo amin'ny schema) hahazoana 3,3v eo ho eo. Ary ny faharoa dia ny module Pilote de moteur L9110 izay hibaikoan'ny arduino ny motera anakiroa ao amin'ilay fiara. Misy motera roa tokoa mantsy ilay fiara, ny iray ao aoriana izay manosika sy mampihemotra azy ary ny iray kosa ao aloha miandraikitra ny fiviliana havia sy havanana.
Ankoatr'ireo dia tena nilaina koa ny tariby isan-karazany izay mampifandray ny Arduino amin'ireocomposants na modules hafa. Tao anatin'ilay fiara indray dia efa nisy fitoerana piles efatra izay 6 volts no fitambarany ka mety amin'ny Arduino tsara.
Tamin'ny voalohany aho dia nisalasala na Bluetooth no hampiasaina hibaikoina azy na WiFi. Fa hitako hoe Bluetooth no mety kokoa satria afaka ampiasaina na aiza na aiza...
Eo amin'ny lafiny software indray dia tena mahaliana ny Arduino satria misy ny atao hoe Arduino IDEizay ampidirina amin'ny ordinatera dia afaka mifandray avy hatrany amin'ny Arduino board (tahaka nyArduino Nano). Raha ny tena izy dia mampiasa "language C" amin'ny programmation ny Arduino, ho an'izay tsy dia tia programmation kosa dia efa misy ny fanamboarana tetikasa amin'ny arduino amin'ny alalan'ny kisarisary, azonao jerena eto ny mBlock momba izany.
Toa izao izany ny schema kely mikasika ny branchement. Ialana tsiny fa tsy nianatra electronique aho fa dia izay fahaizako azy tao no natao. Mino aho fa mahita zavatra betsaka hotsikeraina ry zalahy ingénieurtahaka an'i zandrinay :-p (Sary no-imprimer-na avy ato)




Koa satria matanjaka be ireo moteurs dia tsy zakan'ny Arduino (tonga dia maty ny bluetooth raha vao mihodina ela ny moteur) dia nalaina mivantana avy amin'ny alimentation 6v ny courant mampihodina azy.
Ny télécommande izay mampandeha azy dia avy ao amin'ny PlayStore antsoina hoe Arduino Bluetooth Car. Efa asehony ao anatin'io fitaovana io ny commandes rehetra ampitainy any amin'ny arduino dia iny fotsiny no ampidirina amin'ny script izay hampiasaina.
Ny zavatra fanampiny dia ny jiro sy ny buzzer (solona klaxon). Tsy eo amin'ny schema eo ambony fa jiro roa sy resistors fotsiny ary haut parleur kely iray nalaina avy amin'ny casque no natsatoka amin'ny broches iray amin'ny arduino.

Ireto ambany ireto ary ny sary sy ny script hanaingo ity resaka ity.










Ny code dia ao amin'ny GitHub : https://gist.github.com/heriniaina/1f8523167df40dbb8c87


vendredi 15 mai 2015

Fitsangatsanganan-dry Aina

Nandeha nivoaka kely tany Roma, nitsidika tobin'ny zandary, ny tao am-pianarandry Aina. Nampitondraiko azy ny fakantsary kely fampiasany dia izao no nentiny avy any.
Niniana tsy nesorina ny sary tsy nanjary :-)
Misy sary anakiray nalain'ny ray amandrenin'ny mpianatra iray.
Selfies ny ankoatra an'izay :-)

IM000510.JPG IM000511.JPG IM000512.JPG IM000513.JPG IM000514.JPG IM000515.JPG IM000516.JPG IM000517.JPGIM000518.JPG IM000520.JPG IM000521.JPG IM000522.JPG IM000523.JPG IM000524.JPG IM000525.JPG IM000526.JPGIM000527.JPG IM000528.JPG IM000529.JPG IM000530.JPG IM000531.JPG IM000532.JPG IM000533.JPG IM000534.JPGIM000535.JPG IM000536.JPG IM000537.JPG IM000538.JPG IM000522-PANO.jpg IM000539.JPG IM000540.JPG IM000541.JPGIM000542.JPG IM000543.JPG IM000544.JPG IM000545.JPG IM000546.JPG IM000547.JPG IM000548.JPG IM000549.JPGIM000550.JPG IM000551.JPG IM000552.JPG IM000553.JPG IM000554.JPG IM000555.JPG IM000556.JPG IM000557.JPGIM000558.JPG IM000559.JPG IM000560.JPG IM000561.JPG IM000562.JPG IM000563.JPG IM000564.JPG IM000565.JPGIM000566.JPG IM000567.JPG IM000568.JPG IM000569.JPG IM000570.JPG IM000571.JPG IM000572.JPG IM000573.JPGIM000574.JPG IM000575.JPG IM000576.JPG IM000577.JPG IM000578.JPG IM000579.JPG IM000580.JPG IM000581.JPGIM000582.JPG IM000583.JPG IM000584.JPG IM000585.JPG IM000586.JPG IM000587.JPG IM000588.JPG IM000589.JPGIM000590.JPG IM000591.JPG IM000592.JPG IM000593.JPG IM000594.JPG IM000595.JPG IM000596.JPG IM000597.JPGIM000598.JPG IM000599.JPG IM000600.JPG IM000601.JPG IM000602.JPG IM000603.JPG IM000604.JPG IM000605.JPGIM000606.JPG IM000607.JPG IM000608.JPG IM000609.JPG IM000610.JPG IM000611.JPG IM000612.JPG IM000613.JPGIM000614.JPG IM000615.JPG IM000616.JPG IM000617.JPG IM000618.JPG IM000619.JPG IM000620.JPG IM000621.JPGIM000622.JPG IM000623.JPG IM000624.JPG IM000625.JPG IM000626.JPG IM000627.JPG IM000628.JPG IM000629.JPGIM000630.JPG IM000631.JPG IM000632.JPG IM000633.JPG IM000634.JPG IM000635.JPG IM000636.JPG IM000637.JPGIM000638.JPG IM000639.JPG IM000640.JPG IM000641.JPG IM000642.JPG IM000643.JPG IM000644.JPG IM000645.JPGIM000646.JPG IM000647.JPG IM000648.JPG IM000649.JPG IM000650.JPG IM000651.JPG IM000652.JPG IM000653.JPGIM000654.JPG IM000655.JPG IM000656.JPG IM000657.JPG IM000658.JPG IM000659.JPG IM000660.JPG IM000661.JPGIM000662.JPG IM000663.JPG IM000664.JPG IM000665.JPG IM000666.JPG IM000667.JPG IM000668.JPG IM000669.JPGIM000670.JPG IM000671.JPG IM000672.JPG IM000673.JPG IM000674.JPG IM000675.JPG IM000676.JPG IM000677.JPGIM000678.JPG IM000679.JPG IM000680.JPG IM000681.JPG IM000682.JPG IM000683.JPG IM000684.JPG IM000685.JPGIM000686.JPG IM000687.JPG IM000688.JPG IM000689.JPG IM000690.JPG IM000691.JPG IM000692.JPG IM000693.JPGIM000694.JPG IM000695.JPG IM000696.JPG IM000697.JPG IM000698.JPG IM000699.JPG IM000700.JPG IM000701.JPGIM000702.JPG IM000703.JPG IM000704.JPG IM000705.JPG IM000706.JPG IM000707.JPG IM000708.JPG IM000709.JPGIM000710.JPG IM000711.JPG IM000712.JPG IM000713.JPG IM000714.JPG IM000715.JPG IM000716.JPG IM000717.JPGIM000718.JPG IM000719.JPG IM000720.JPG IM000721.JPG IM000722.JPG IM000723.JPG IM000724.JPG IM000725.JPGIM000726.JPG IM000727.JPG IM000728.JPG IM000729.JPG IM000730.JPG IM000731.JPG IM000732.JPG IM000733.JPGIM000734.JPG IM000735.JPG IM000736.JPG IM000737.JPG IM000738.JPG IM000739.JPG IM000740.JPG IM000741.JPGIM000742.JPG IM000743.JPG IM000744.JPG IM000745.JPG IM000746.JPG IM000747.JPG IM000748.JPG IM000749.JPGIM000750.JPG IM000751.JPG IM000752.JPG IM000753.JPG IM000754.JPG IM000755.JPG IM000756.JPG IM000757.JPGIM000758.JPG IM000759.JPG IM000760.JPG IM000761.JPG IM000762.JPG IM000763.JPG IM000764.JPG IM000765.JPGIM000766.JPG IM000767.JPG IM000768.JPG IM000769.JPG IM000770.JPG IM000771.JPG IM000772.JPG IM000773.JPGIM000774.JPG IM000775.JPG IM000776.JPG IM000777.JPG IM000778.JPG IM000779.JPG IM000780.JPG IM000781.JPGIM000782.JPG IM000783.JPG IM000784.JPG IM000785.JPG IM000786.JPG IM000787.JPG IM000788.JPG IM000789.JPGIM000790.JPG IM000791.JPG IM000792.JPG IM000793.JPG IM000794.JPG IM000795.JPG IM000796.JPG IM000797.JPGIM000798.JPG IM000799.JPG IM000800.JPG IM000801.JPG IM000802.JPG IM000803.JPG IM000804.JPG IM000805.JPGIM000806.JPG IM000807.JPG IM000808.JPG IM000809.JPG IM000810.JPG IM000811.JPG IM000812.JPG IM000813.JPGIM000814.JPG IM000815.JPG IM000816.JPG IM000817.JPG IM000818.JPG IM000819.JPG IM000820.JPG IM000821.JPGIM000822.JPG IM000823.JPG IM000824.JPG IM000825.JPG IM000826.JPG IM000827.JPG IM000828.JPG IM000829.JPGIM000830.JPG IM000831.JPG IM000832.JPG IM000833.JPG IM000834.JPG IM000835.JPG IM000836.JPG IM000837.JPGIM000838.JPG IM000839.JPG IM000840.JPG IM000841.JPG IM000842.JPG IM000843.JPG IM000844.JPG IM000845.JPGIM000846.JPG IM000847.JPG IM000848.JPG IM000849.JPG IM000850.JPG IM000851.JPG IM000852.JPG IM000853.JPGIM000854.JPG